Mpitifitra Tsipìka (antokon-kintana)

(tonga teto avy amin'ny Alakaosy (antokon-kintana))

Ny Mpitifitra Tsipìka dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Desambra hatramin' ny 20 Janoary. Ny antokon-kintan' ny Bibilava no eo andrefany fa ny an' ny Tandrok' Osy kosa no eo antsinanany.

Antokon-kintan'ny Mpitifitra Tsipìka
Antokon-kintan'ny Mpitifitra Tsipìka

Avy amin' ny teny arabo dia atao hoe اقوس / Al-Kaus ("mpitifitra tsipìka") io antokon-kintana io, izay niavian'ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Alakaosy. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Sagittarius na amin'ny teny frantsay hoe Sagittaire. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Τοξότης / Toksotês. Amin'ny teny soahily dia atao hoe Kausi na Mshale io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Kaus na Pemanah ihany koa izy.

Ny evan' ny zôdiaka Mpitifitra Tsipìka, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Novambra hatramin' ny 21 Desambra.

Jereo koa hanova

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: