Ny antokon-
kintana dia vondron-
kintana hita ho toa mifanakaiky sady ampifandraisin'ny eritreritra araka ny
kolontsaina sy ny
sivilizasiona amin'ny alalan'ny tsipika tsy hita maso ka manome endrika voafaritra. Hatramin'izay nisian'ny tantara dia nampiasain'ny olombelona amin'ny fandrefesana eny amin'ny lanitra sy ety an-tany ny antokon-kintana sady niforonan'ny
fedrà maro.
Amin'izao fotoana izao dia nozarain'ny Fiombonana Iraisam-pirenena momba ny Haikintana (frantsay: Union astronomique internationale - UAI) ho antokon-kintana 88 ny kintana eny amin'ny lanitra. Ireo rehetra ireo dia nozaraina amin'ny ila-bolan-danitra atsimo sy ny ila-bolan-danitra avaratra ka misy noho izany ny antokon-kintana avaratra sy ny antokon-kintana atsimo.
Antokon-kintan'ny zodiaka Ny anaran'ny antokon-kintan'ny zodiaka Ny
antokon-kintan'ny zodiaka dia ampahany amin'ny antokon-kintana rehetra izay hoatry ny andalovan'ny
Masoandro sy ireo
planeta miaraka aminy. Ireto ny anaran'ny antokon-kintana telo ambin'ny folon'ny zodiaka amin'ny
fiteny latina:
Aries ("ondrilahy"),
Taurus ("ombilahy"),
Gemini ("kambana"),
Cancer ("foza"),
Leo ("liona"),
Virgo ("virjiny"),
Libra ("mizana"),
Scorpio ("maingoka"),
Ophiuchus ("bibilava"),
Sagittarius ("mpitifitra amin'ny tsipìka"),
Capricornus ("osilahy"),
Aquarius ("mpandraraka rano") ary ny
Pisces ("trondro"). Ny roa ambin'ny folo amin'ireo ihany no tena ampiasaina amin'ny
fanandroana, tsy isany ny
Ophiuchus, ka izao ny anarany amin'ny fiteny malagasy sy arabo:
Teny latina | Teny malagasy | Teny arabo |
Aries | Alahamady | Al-Hamal |
Taurus | Adaoro | Ath-Thur |
Gemini | Adizaoza | Al-Djuza |
Cancer | Asorotany | As-Saratan |
Leo | Alahasaty | Al-Asad |
Virgo | Asombola | As-Sumbul |
Libra | Adimizana | Al- Mizan |
Scorpio | Alakarabo | Al-Akrab |
Sagittarius | Alakaosy | Al-Kaus |
Capricornus | Adijady | Al-Djadi |
Aquarius | Adalo | Al-Dalu |
Pisces | Alohotsy | Al-Hut |
Fotoana andalovan'ny masoandro Tsy mifanaraka amin'ny fotoana mifanandrify amin'ny evan'ny
zodiaka mikisaka (ilay ampiasain'ny mpanandro tandrefana) ny fotoana andalovan'ny
masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana mitovy anarana amin'ireo eva ireo. Amin'ny ankapobeny dia mandroso iray volana mialoha ny fotoan'ny evan'ny zodiaka mikisaka raha mitaha amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka.
Adalo: 16 Febroary - 12 Marsa
Jereo koa:
Dernière modification le 3 Aogositra 2020, à 07:11
Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara.