Info box hanova

Salama daholy e! miala tsiny raha mba hanontany kely , Tsy afaka manao info box ve ny mg wiki? Zaho zao mahita ity iany ny info box wiki mg nefa tsy mahafapo izy io. Misaotra mialoha tompoko. Mr Florent Bezara

BeGasy
Ankapobeny
Anarana Tsy fantatra
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena   Madagasikara
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

--BeGasy 27 Aprily 2015 à 08:15 (UTC)

Valiny: Infobox hanova

Manao ahoana ianao, Eny, afaka manao infobox ny mg.wikipedia, saingy izay nilaiko ihany no noforoniko hatreto. Tsy tampom-pahaizana amin'ny design sy rariteny wiki aho ka tsy dia tsara tahaka ny any amin'ny wiki hafa ny endriny.

Ireto ny infobox efa misy ato amin'i Wikipedia. Alaivo ho ohatra izy ireo raha tia hamorona infobox ianao. Azonao atao ihany koa ny mijery any amin'ny Wiki hafa (Wikipedia amin'ny teny anglisy, Wikipedia amin'ny teny frantsay ). Azo atao ny maka tahaka azy ireo amin'ny resaka famoronana infobox. Izay aloha fa dia mandrapihaona indray. — Jagwargrr... mailaka 27 Aprily 2015 à 10:20 (UTC)Répondre

Compte robot hanova

Salama tompoko!

  1. Saika mba hanontany kely momban'ny compte robot, olona otrany ahoana no afaka omena fahefana mitondra io compte io?
  2. Inona avy ireo fepetra takina amin'io compte io?
  3. Zaho zao ve afaka mampiasa io compte ? Si non pourquoi?

Misaotra betsaka tompoko!

--Gasy 3 Mey 2015 à 06:49 (UTC)

Miarahaba tompoko,
1) Ny kaonty rôbô dia kaonty manokana ampiasain'ny rindrankajy (bot) ampiasaina amin'ny Wiki. Afaka mampiasa kaonty rôbô ny mpikambana rehetra, anefa kosa – noho ny fanimbana mety ho vokatry ny fampiasana rôbô – dia tsy maintsy olona atokisan'ny Fikambanana izay mpikambana tia hampiasa kaonty toa izany.
2) Ankoatra ny efa voalazako tamin'ny valim-panontaniana voalohany, ny fepetra takiana amin'ny fampiasana izany kaonty izany dia ireto:
(a) voaporofo fa ilaina ilay rôbô;
(b) voaporofo fa tsy hanimba ilay rôbô.
Ny fanaporofoana an'i (a) sy (b) dia fandefasana test (250 farafahabetsany) eo amin'ny wiki iasana. Rehefa voaporofo ny (a) sy (b) dia afaka mangataka sata (statut) rôbô ho an'ilay kaonty nandefasanao ny test ianao, eo amin'ny pejy Wikipedia:Bots/bot flag requests.
3) Afaka mampiasa kaonty toa izany ianao. Mamoròna kaonty manokana (ohatra: mpikambana:BeGasy-bot; porofoy ny (a) sy (b) ary apetraho ny fangatahana sata rôbô eo amin'ny pejy voalazako.
Raha mila fanontaniana mahakasika ny framework azo ampisaina amin'ny fandefasana rôbô dia anontanio ahy.
Veloma finaritra, — Jagwargrr... mailaka 3 Mey 2015 à 19:11 (UTC)Répondre

Momba ny lahatsoratra mitondra ny lohateny Jesoa na Jesosy hanova

Miarahaba tompoko,

Misaotra anao manao ny ezaka mampihatsara an'i Wikipedia. Raha manana anarana maro ny olona iray dia izay anarana nametrahana azy voalohany tato amin'ny raki-pahalalana no ampiasaina. Jesoa no anarana namoronana ilay lahatsoratra, ka Jesoa na Jesoa avy any Nazareta no tokony ho anaran'ilay lahatsoratra. Ireo lohateny hafa toa Jesosy, na Jesosy avy any Nazareta dia ho fihodinana mankany amin'i Jesoa.

Mandrapihaona, — Jagwargrr... mailaka 22 Mey 2015 à 19:47 (UTC)Répondre

Fisaorana hanova

Salama tompoko!

Eny fa voaraiko tsara ny lesoka! makasitra de mandrapihona ! :D

--Be-Wiki-Gasy (discussion) 23 Mey 2015 à 04:49 (UTC)Répondre

Wikipedia:Mpandrindra/Fangatahana/BeGasy hanova

Miarahaba anao tompoko,

Efa ela koa izaho no nikasa ny hanova ny fomba fangatahana ny satam-pandrindra eto amin'i Wikipedia malagasy, kanefa dia izaho ihany no nampiasa io zavatra io nandritry ny fito taona nandraisako anjara teto... Manohana anao amin'ny fangatahanao aho. Rehefa feno ny herinandro dia mametraha fangatahana (amin'ny teny anglisy) eto amin'ity pejy ity. Aza adinoina ny fanomezana azy ireo ity rohy ity https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Mpandrindra/Fangatahana/BeGasy. Raha tianao ho ataoko ilay izy dia amelao hafatra fotsiny aho. Veloma tompoko. — Jagwargrr... mailaka 25 Mey 2015 à 19:23 (UTC)Répondre

Valindresaka sy fisaorana hanova

Manahoana tompoko,

Mankasitra tamin'ny fanomezana sosokevitra,

Voalohany, dia vonona hanatsara sy hampandroso ity wikipedia ity aho, nefa tsy ampy ny fitaovana na ny fahefana ahafahako hampivelatra ity wiki ity. Koa ankehitriny dia resi-lahatra aho ka dia nananao fangatahana io.

Eto dia maniry mafy aho mba ho lasa izany, ary ny tiako dia ianao tompoko no hadefa ny hataka amin'ny teny englisy amin'io rohy io.

Mbola mamerina fisaorana sy fankasitrahana ny tenako.

Misaotra tompoko!

--Be-Wiki-Gasy (discussion) 25 Mey 2015 à 19:43 (UTC)Répondre

... Mpandrindra hanova

Salama tompoko!

Azafady indrindra, ahoana ary aiza aiza zao tompoko ny mombany iny fangatahana ho mpandrindra nataoko iny.

Misaotra betsaka tompoko!

--BeGasy (discussion) 1 Jiona 2015 à 18:03 (UTC)Répondre

Manao ahoana tompoko,
Nafindrako toerana ny fangatahanao. Jereo eto: https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Mpandrindra/Fangatahana/BeGasy
Mikasika ny fangatahanao indray, dia efa napetrako teo amin'i Meta ny hataka, ka miandry ny fanomezany ny sata mpandrindra anao sisa.
Misaotra anao,
Jagwargrr... mailaka 2 Jiona 2015 à 09:28 (UTC)Répondre

Arahabaina hanova

Arahabaina ianao fa lasa mpandrindra :) Vao hitako vao teo ny fiovan-tsata. — Jagwargrr... mailaka 3 Jiona 2015 à 11:50 (UTC)Répondre

Fisaorana sy fankasitrahana hanova

Miarahaba tompoko,

Eto dia tena faly ny tenako ary mankasitraka anao manokana aho tamin'ny fanohananao.

Vonona aho hanitra sy hampivelatra hatrany ity wiki ity ary hanara-maso akaiky.

Tarigetrako koa dia efa milaza :

Minoa ary Mitraka.
Fikiriko ny ahy ary feheziko ny hafa.

--BeGasy (discussion) 3 Jiona 2015 à 17:01 (UTC)Répondre

re:fanatsarana Endrik infobox hanova

Miarahaba tompoko!

Faly aho manoratra aminao, saika hanontany kely aho,

Ahoana ny ahafahantsika manao ny infobox mifanaraka aminizay ilaina na azo baikoina? Ohatra eto :

BeGasy
Ankapobeny
Anarana Tsy fantatra
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana
  • Tsy ilaiko zao ny teny hoe : |maty , |karazana, |taona niasana, ka tsy tiko mipoitra eo amin'ny infobox n'olo iray, izany hoe tokony asiana paramètres de facultatifs ny teny amin'ny infobox mba tsy mipoitra izay tsy nisoratana na izay banga!

Asa azonao ny tiako hanontaniany azafady?

Misaotra betsaka!


BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en))

--:D 11 Aogositra 2015 à 14:16 (UTC)

Miarahaba anao BeGasy, dia tena mahatalanjona ahy tokoa ny finiavanao eto amin'ny Wiki.
Azoko ny tianao tenenina. Raha tsy tianao hipoitra ilay hoe "maty", "asa", sns. dia ampidirinao an-tsehatra ny atao hoe ParserFunctions.
Amin'ireo atao hoe ParserFunctions ireo dia ahitana fetra (condition), filazana (expression), sns. Rehefa misy fotoana aho dia hanova ilay pejy Endrika:Olona miaraka amin'izay ParserFunctions izay.
Amin'ny manaraka indray tompoko, — Jagwargrr... mailaka 12 Aogositra 2015 à 13:05 (UTC)Répondre

Eny tompoko!

Misaotra betsaka,


BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en))
--:D 12 Aogositra 2015 à 13:31 (UTC)Répondre

Fandrindrana ny wikipedia mg hanova

Salama tompoko! Azafady indrindra, afaka mba mahafantatra ny antony nahatonga zaho izay mitondra compte BeGasy ka nasorina na tsy manana Zo amin'ny maha mpandrindra? Misaotra tompoko! BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en))--:D 14 Desambra 2015 à 10:43 (UTC)Répondre

Miarahaba anao tompoko,
Nahazo zom-pandrindra nandritra ny enim-bolana ianao (jereo: https://meta.wikimedia.org/wiki/Steward_requests/Permissions/2015-12#BeGasy.40mgwikipedia).
Raha mbola tia hitazona ilay zo dia tsy maintsy mbola mangataka indray.
Ho ataonao ve ilay fangatahana sa tianao ho ataoko ho anao?
Jagwargrr... mailaka 15 Desambra 2015 à 10:46 (UTC)Répondre

Salama tompoko!

Misaotra betsaka namana Jagwargrr... mailaka!

Tena mbola vonona hanohy ho mpandrindra aho, ary mbola mijanona amin'izay 6 mbolana izay ihany ve ny fotoana maham-pandrindra aho? Ary tsy azoko hatao ve ho mpandrindra maharitra? Farany, miangavy anao aho tompoko mba hanao ny fangatahako fa mba iriko fantatra fotsiny ny fomba fanaovanao ilay izy.

Misaotra tompoko!
BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en))--:D 16 Desambra 2015 à 05:09 (UTC)Répondre

Thank you for taking part in the Community Health learning campaign! hanova

 
Community Health learning campaign - Analysis Report of Community Responses
 
Thank you!

Hi,
apologies for writing in English, if this is not your first language.
I want to thank you once more for engaging in conversation on the Community Health learning campaign. It took us a while, but we can finally announce the winner of the prize, as well as share the outcomes of this conversation.

You might also be interested in taking part in the 2015 Harassment consultation. This is the first of several planned consultations on this topic, intended to provide a place to discuss ideas, concerns, proposals and possible solutions regarding Wikimedia communities’ harassment-related challenges.

This conversation would not have been the same without you. If you have more ideas, or follow up comments on the findings of the campaign, don't hesitate to leave me a message my talk page.

Have a great day,

María

MediaWiki message delivery (resaka) 22 Desambra 2015 à 20:04 (UTC)Répondre

Meta reply hanova

Dear BeGasy, I have replied at meta:Steward requests/Permissions. Sincerely, Taketa(resaka) 9 Janoary 2016 à 15:50 (UTC)Répondre

Hafatra avy any amin'i Taketa hanova

Arahaba tratry ny taona BeGasy :)

Ity misy hafatra nodikaiko avy amin'ny teny anglisy any amin'i Taketa:

Miarahaba anao Begasy, voasakana teo amin'i Wikimedia Commons mandrakizay ianao noho ny fandefasana rakitra tsy malalaka indroa ary noho ny fialan-tsakana. Mangataka fanazavana mikasika izay zavatra nataonao izay aho tompoko. Inona no nitranga? Minia ny handefa ireo rakitra ireo eo amin'i mg.wikipedia ve ianao? Amin-kitsim-po, Taketa

Afaka valianao ve ilay izy azafady indrindra tompoko? Rehefa hamaly ianao dia valio eo ambany, fa ampitaiko an'i Taketa ilay izy rehefa voavakiko. Misaotra anao mialoha, — Jagwargrr... mailaka 12 Janoary 2016 à 22:08 (UTC)Répondre

Valiny hanova

Miarahaba tompoko!

Misaotra betsaka anao namana Jagwar,
Voalohany, dia tena vosakana mandrakizay tao amin'i Wikimedia Commons tokoa izaho, nampiditra sary tsy manana lisansa mazava ka nomen'ireo mpandrindra fitandremana aho tamin'izany nefa tsy nazava tamiko loatra izany fitandremana izany ka mbola niezaka namerina indray aho ka tsy maintsy vosakana aho rehefa veo. Ny antony faharoa, dia mbola tsy nahafantatra ny tena fitsipika marina mifehy ny fampidirana sary tao amin'io projet io ny tenako. Farany, tsy fananina velively tompoko ilay izy fa tena mbola tsy fahafantarana mazava ny fitsipika mifehy, ary ankehitriny dia efa mahatsapa ny tenako. Vonona aho, hanao ezaka amin'ny fanatsarana ny mg.wikipedia amin'ny fampivelarana avo dia avo.

Misaotra betsaka tompoko!

BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en))--:D 15 Janoary 2016 à 10:23 (UTC)Répondre

Share your experience and feedback as a Wikimedian in this global survey hanova

  1. This survey is primarily meant to get feedback on the Wikimedia Foundation's current work, not long-term strategy.
  2. Legal stuff: No purchase necessary. Must be the age of majority to participate. Sponsored by the Wikimedia Foundation located at 149 New Montgomery, San Francisco, CA, USA, 94105. Ends January 31, 2017. Void where prohibited. Click here for contest rules.

Your temporary access has expired hanova

Hello, the temporary access you requested on this wiki has expired. Just to let you know that If you want it back, feel free to make a local announcement and open a new request on stewards' permission request page on Meta-Wiki later. Moreover, if you think the community is big enough to elect a permanent administrator, you can place a local request here for a permanent adminship, so stewards can grant you the permanent access. Please ask me or any other steward if you have any questions. Thank you! --Einsbor (resaka) 17 Janoary 2017 à 11:07 (UTC)Répondre

Your feedback matters: Final reminder to take the global Wikimedia survey hanova

(‘’Sorry to write in English’’)

Response hanova

Hello dear, i'm really glad to you, and thank you to send me this message, so can send me clean your project on this my email : bezaraflorent@gmail.com , thank. BeGasy (Miresaha amiko) ((mg)), ((fr)), ((en)) :D 23 Febroary 2017 à 08:11 (UTC)Répondre