- Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 153 amin’ny teny malagasy
Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana
Takelak’ity volana ity
Ny hindoisma dia fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana mbola be mpanaraka izay nipoitra ao amin' ny zana-kôntinenta indiana ka atao hoe Hindoa na Hindo ny mpanaraka azy. Isan' ireo fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo izao izay mbola misy manaraka izy[1]. Ny ankamaroan' ny Hindoa dia mino ny fahefan' ireo boky atao hoe Veda [2] izay ekeny fa nambara tamin' ny olombelona "tsy araka ny fomban' olombelona" (apauruṣeya)[3] tamin' ny alalan' ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmā (na Brahmâ) araka ny fandrenesan' ireo Rishi (izany hoe "mpahita")[4]. Tsy fantatra ny nanoratra ny lahatsoratra ao amin' ireo Veda ireo ary ny sasany dia anganongano no ahafantarana azy tahaka an' i Vyāsa.
Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin' ny fomba ranoray ny hindoisma satria ireo mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy[5] [6].
Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin' ny andraisan' ny kristianisma na ny jodaisma ny hoe "fivavahana" izy satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin' ny ivon' ny fampianaram-pinoany aza[7]. Mampiavaka ny hindoisma ny toetrany izay ahitana fanambarana karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa (sinkretisma).
Ny Persiana tamin' ny taonjato faha-5 no nanome anarana ny mponin' ny vinanin' ny renirano Indo amin' io anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin' ny zana-kôntinenta indiana iray manontolo. Avy amin' ny teny sankrita hoe sindhu izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe hindo ka manondro indrindra ny renirano Indo izany. Tamin' ny voalohany (taonjato faha-5) ny teny persana hoe hindu (izay gasina eto hoe hindoa) dia nilazan' ny Silamo ny mponina ao amin' ny lemaka eo am-pivarinan' ny renirano Indo any an-dranomasina[8].
Ny hindoisma dia fitambaran-kevitra filôzôfika nolovaina hatrany alohan' ny nahafantarana ny tantara indiana[9]. Ny fampiaharana ny hindoisma amin' ny fiainana dia avy tamina lovantsofina tranainy dia tranainy, manakaiky ny atao hoe animisma. Azo zaraina telo ny tantaran' io fivavahana io ka ny hindoisma, araka ny ahafantarana azy amin' izao, no dingana farany taorian' ny vedisma (taona 1500 - 500 tal. J.K.) sy ny brahmanisma (600 tal. J.K. - 500 taor. J.K.)[10]. Ao amin' ny zana-kôntinenta indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma nefa ahitana azy koa ireo toerana ivelan' i India izay ahitana Indiana mpifindra monina toa an' i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ireo Antilia ary i Angletera. (tohiny...)

 Lahatsoratra tsara vakiana
Ny tsimokaretina coronavirus
Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.
Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.
Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.
Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.
Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)
 Sarin’ny anio

 Ny vaovao
Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
Nahafaty olona mihoatra ny iray hetsy ny valanaretina coronavirus izay nipoitra tany Wuhan (Sina) ka niparitaka erak'izao tontolo izao.

 Efemerida
Mbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Zoma 17 Septambra ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity.
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki
Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra
Wikibolana
Raki-bolana malalaka
Wikigazety
Gazety malalaka (incubator)
Wikiboky
Lahatsoratra sy boky malalaka
Wikitanisa
raki-pitanisana
Wikifamakiam-boky
famakiam-boky
Wikiversite
Komonitia Pedagôjika
Wikispecies
Tetikasa iraisana
Wikimedia Commons
Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia
Tetikasa Wikipedia amin'ny fiteny vahiny
Lisitry ny Wikipedia
Folo lehibe indrindra : anglisyalemanafrantsaynerlandeyitalianamalagasyespaniolarosyjaponeyportogey
Amin'ny fiteny afrikana : Afar  — Afrikaans  — Akan  — አማርኛ  — Bamanankan  — Chi-Chewa  — chiTumbuka  — Fulfude  — Gĩkũyũ  — Hausa / هَوُسَ  — Igbo  — isiXhosa  — isiZulu  — Kanuri  — Kinyarwanda  — Kirundi  — Kiswahili  — Kongo  — Kuanyama  — Lingala  — Luganda  — Malagasy
Ovay


  1. Lester R. Kurtz, Gods in the global village: the world's religions in sociological perspective, Pine Forge Press, 2007 : "Hinduism — or Sanatana Dharma, as some believers prefer to call it — is a religious tradition that encompasses layers of complex deposits from many different cultures over the centuries. Its remarkable diversity and doctrinal tolerance (…)".
  2. Ny teny hoe Véda dia midika hoe "fahitana" na "fahalalana".
  3. आदि शङ्कर (Ādi Śaṅkarācārya), Âtma-bodha, dikan-teny sy fanavarihana nataon'i S. Nikhilananda, Madras, 1987, Edisiona faha-7.
  4. Madeleine Biardeau, L'hindouisme, anthropologie d'une civilisation, Flammarion.
  5. Sept Upanishads. Jean Varenne. Édition du Seuil, 1981, p. 13 (ISBN 9782020058728).
  6. Jeffery D. Long (en), Historical Dictionary of Hinduism, Scarecrow Press, 9 septembre 2011 (ISBN 978-0-8108-7960-7, vakio eto [tahiry]), p. 19: « it has no founder and no central administrative institution. »
  7. Ny Nyâya dia manaiky ny fahefan'ireo Veda nefa milaza koa fa tsy anitya ("tsy maharitra") izy ireo no sady paurusheya ("araka ny fomban'olombelona"). Le Nyâya-sûtra de Gautama Akshpâda, dikan-tenin'i Michel Angot, edisiona Les Belles Lettres, p. 58 (ISBN 978-2-251-72051-7)
  8. Gerhard J. Bellinger, Encyclopédie des religions, Librairie Générale Française, 2000 (ISBN 9782253131113), p. 352-426.
  9. C.A. Jones et J.D. Ryan, Encyclopedia of Hinduism, natontan'ny Checkmark Books, pejy XVII (ISBN 0816073368).
  10. Alexandre Astier, Comprendre l'hindouisme, Éd. Eyrolles, 2007, p. 11 (ISBN 978-2-7081-3720-2).
Langue
Afficher l’historique des modifications de cette page.
Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara.
Fitsipika momba ny zavatra tsy sarababem-bahoaka
Fepe-pampiasana
Birao
AccueilAu hasardÀ proximitéConnexionConfigurationFanomezanaMombamomba ny WikipediaFampitandremana